Halatra omby: dahalo roa lahy voasambotra

Saron’ny mpitandro filaminana ireo dahalo roa lahy nitam-basy nangalatra omby tao Ankililaoka, Toliara, afakomaly. Nentin’izy roa lahy ireo nandositra ny omby roa. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana alina ireo dahalo. Raikitra ny fisamborana. Noraisim-potsiny ny fitaovam-piadiana teny aminy sy ny bala fampiasany. Nogiazana ireo omby halatra roa ka naiditra am-balam-pamonjana. Nentina natao famotorana ireo dahalo roa lahy ary miandry ny fotoam-pitsarana azy. Mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’izy roa voasambotra ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: