Ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetr’andro, izay itondrana ny lohahevitra hoe «Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro», hisy fampirantiana sy famelabelaran-kevitra hotanterahina eo amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna Analakely, ny 21 ka hatramin’ny 23 Marsa ho avy izao.
Nisitraka fanentanana momba ny fandrindrana ny fiainana ara-pananahana ireo mpianatra avy ao amin’ny IST Ambositra, tamin’ity herinandro ity. Miisa 591 ireo tonga nanatrika ny hetsika, tao amin’ny Grand Conaco. Tanjona ny hampihena ny isan’ny mpianatra tsy mahavita fianarana hatramin’ny farany vokatry ny vohoka tsy iriana.
Hampahafantatra ny asa hataony ny Produir amin’ny alalan’ny « caravane » anio sy ny 23 febroary ho avy izao. Hidina ifotony ireo tomponandraikitry ny tetikasa hamaly ny fanontaniana sy hihaino ny mponina. Handalovana ny eny Ambodimita, Antajombe, Anosivavaka, Ambodivonkely, Ankasina ary Antohomadinika kianja Ramanandraibe.
Nitsidika sekoly vitsivitsy eto Antananarivo i Sarah Stackhouse, tomponandraikitra ambony ao amin’ny Shoreline Community College, avy any Etazonia. Niresaka ny fomba ahafahan’ny Malagasy mpianatra manohy fianarana ao amin’ny Shoreline Community College ny tenany, nandritra izao fandalovany izao.