Manana fiaraha-miasa izay ahafahana manondrana tantely hatrany amin’ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra nasionaly. Laharam-pahamehana ao anatin’ny tetikasa « FFF » sy ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra ary ny FAO ny seha-pihariana tantely. Misy fifaninana handraisana mpandraharaha mpiompy tantely ao amin’ny vovonam-pikambanana miisa valo mandrafitra ny Tranoben’ny tantsaha, hahafahana mamolavola azy ireo ho matihanina eo amin’ny lalam-pihariana ifotorany. Ahazo tohana ara-pitaovana ny telo mendrika indrindra amin’izany. “Miasa amina faritra efatra eto Madagasikara ny FFF, Diana, Sofia, Analamanga, Atsinanana. Antony hanaovana ny fifaninanana mba hahafahana manome fahavitrihana an’ireo mpamokatra hiroso any amin’ny tsara kokoa indrindra eo amin’ny resaka kalitao”, hoy ny filohan’ny Tranoben’ny tsantsaha, Razafimbololona Angeline. Nilaza izy fa anisan’ny fepetra takina amin’ny fanondranam-bokatra ny kalitao. Ampirisihina, araka izany, ny tantsaha hanatsara ny vokatra ataony, hirosoany amin’ny fanondranana. Misy ny vokatra andrasana amin’ny tetikasa, hanomezana tombony ny lalam-pihariana tantely, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Andrasana handray anjara amin’ny fifaninanana ireo mpisehatra efa mahafehy ny fiompiana sy famokarana tantely.
Henintsoa Hani