Tovovavy avy amina firenena 110 no indray hifaninanana amin’i Antsaly, izay samy te hisalotra ny anaram-boninahitra « Miss Monde 2023 ». Manana ny haavo hoenti-miatrika izany kosa anefa ny solontena malagasy.
Vonona amin’ny lafiny rehetra! Nanambara ny komity mpikarakara ny « Miss Madagascar » fa hiainga rahampitso 17 febroary, hihazo an’i Mumbai Inde, i Antsaly Ny Aina Rajoelina. Izy no nisalotra ny anaram-boninahitra « Miss Madagascar 2022 », ka ho solontenan’i Madagasikara amin’ny « Miss Monde 2024 ». Hatao any Inde ny andiany faha-71, amin’ity fotoan-dehibe ho an’ny fifaninanana hatsaram-bika sy tarehy sady fanomezan-kasina ny vehivavy ity, ny 19 febroary hatramin’ny 9 marsa ho avy izao.
Maro ny miandry an’i Antsaly Rajoelina, mandritra ireo telo herinandro ireo. Na izany aza, efa nanomana sy nomanina hiatrika izany ity andriambavilanitra ity. Nianatra teny anglisy nandritra ny fotoana maharitra izy, mba hahafahany mampita tanteraka ny hafatra nomaniny. Tsy nitsahatra tamin’ ny fanatanjahantena ihany koa, izay hanampy be azy amin’ny tohin’ny fifaninanana. Mazava loatra fa tsy ambanin-javatra ny filatroana, izay niantsorohan’ny Totem sy ny fikarakarana endrika amam-bika nataon’ny Amazones.
Heverina fa anisan’ireo manana tombony i Antsaly mandritra ny « challenge beauty with purpose”. Mahakasika ny ady amin’ ny herisetra hatao amin’ny ankizy ny lohahevitra hoentin’ity tovovavy malagasy ity eo anoloan’ny komity lehibe. Faharoa ny « Head – to head challenge : one earth, one family, one futur », izay hiresahana ireo lohahevitra manodidina ny fiovaovan’ny
toetr’andro, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana, ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana, sns. Tena zava-dehibe anatin’ny fifaninanana ireo, fa tsy ny hatsaram-bika ihany akory. Tsara toerana foana kosa anefa ireo Miss Madagascar rehetra teo aloha tamin’ireto « challenge » ireto. Nosafidiana manokana ireo Malagasy mpamoron-damaody matihanina hampiakanjo an’i Antsaly.
Zo ny Aina