Nanafika fiara nitondra vola : jiolahy 3 naiditra eny Tsiafahy

Nanaovan’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava fanadihadiana lalina, tratra avokoa ary naiditra eny Tsiafahy ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Anjohy, ny sabotsy 10 febroary teo.

Vehivavy ny iray amin’ireo olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny fanafihana fiara iray nitondra vola teny Anjohy, fiantombohan’ny volana febroary teo. Norobain’ireo olon-dratsy ny vola nentin’ny fiaran’ny orinasa lehibe iray ny alatsinainy 29 janoary teo. Nitsoaka nandositra avokoa ireo jiolahy. Nanao fanadihadiana lalina nanoloana io tranga io ny polisy eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Nahitam-bokany avy hatrany izany satria tratra ny olona roa nandray anjara, ny 31 janoary teo. Nahitana basy miisa telo fampiasa manao ny asa ratsiny teny amin’izy roa ireo. Nentina natao famotorana lalina izy roa ireo ka nitoroka ny namany.

Nahatrarana vola …

Andro vitsy taorian’io, sarona teny Antohomadinika ny lehilahy iray nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana ilay fiaran’ny orinasa teny Anjohy, ny 1 febroary teo. Noraisim-potsiny teny aminy ny sabatra lavalela niampy ampaham-bola nangalariny. Nitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireo telo mianadahy ireo ka noraisim-potsiny niaraka tamin’ny fiara nanatanterahan’izy ireo ny fandrobana ny lehilahy iray teny amin’ny RN7, ny sabotsy 10 febroary. Natolotra ny fampanoavana izy efatra mianadahy. Nampidirina eny Tsiafahy ireo telo lahy raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ilay vehivavy.

Tsiferana R.

Partager sur: