Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanolanana… Inona koa? O rey olona e, fiarahamonina inona loatra no iainana amin’izao? Olona avokoa no iavian’izany karazan-doza izany, olona koa no ianjerany sy mitondra faisana. Sanatria, misy ny olona mihabiby: tsy mahalala izay tokony hataony, tsy mahaavaka ny tsara sy ny ratsy, tsy mijery lavitra… Ny olona no olana? Na tsy nomena lanja sy hasina loatra hatramin’izay… Tsy fantatra na tsy hay faritana hoe nanomboka oviana. Hatramin’ny nampirongatra be ny fahantrana lalina, maharitra, saika mahahenika ny maro.
Soa ihany, anisan’ny andrin’ny fampandrosoana ny maha olona amin’izao. Mizaka ny tsy eran’ny aina ny vahoaka: marefo noho ny fahantrana, mbola miaritra tsy fidiny ny mafy amin’izao karazam-pahalovana rehetra izao. Nefa ny vahoaka na ny olona no antom-pisian’ny fitondrana, mampindrana fahefana azy, nanovany fanamby… Ahoana ny hamerenana ny maha olona? Ekena, ilaina, ohatra, ny fizarana fanampiana, fanomezan-tanana amin’ny famokarana, famaronana asa… Vitan’izay ve? Na izany aloha no zava-dehibe sy maika amin’izao. Izany aza tsy hita sy tsy vita, fa aleo hanaraka ny sisa…
Ailika amin’ny fahantrana avokoa ny fahalovana? Mahantra hatramin’ny saina, fo, fanahy. Fahantrana ve, ohatra, no mahatonga ny fanaovana kolikoly; eny, na izay afitsoky ny tsimatimanota manana ny toerany aza? Tsy manery amin’ny fanaovan-dratsy ny fahantrana, ary tsy manakana amin’ny fanaovan-dratsy ny fananan-karena. Toy izany koa amin’ny fanarahan-dalàna, fandehanana amin’ny fahitsiana sy ny fangaraharana… Tsy voatery iainana ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fahantrana. Izany no mbola ekena sy iaretana lava? Ny olona no olana fa tsy te hiova, tsy te hivoatra…
R. Nd.