SOMBIM-BAOVAO

Mangataka ny hanasaziana ny mpitsara ny lalao nihaonan’ny 3FB Toliara sy ny Zanakala FC, tany Toliara, ny Zanakala. Amin’izy ireo, misy ny fitanilana ny fitsarana nandritra ny fihaonana. Efa nametraka fitarainana eny anivon’ny CFEM moa ity klioba ity. Tsiahivina fa nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Zanakala FC.

Hiditra amin’ny andro faharoa ny fifaninanana “Pureplay Football League”, taranja baolina ki­tra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior FC Boeny sy ny Uscafoot Analamanga. Tsara marihina fa ireo mpilalao nisongadina tao amin’ny US Pro, nanatevina ity ekipan’Analamanga ity avokoa.

Hotanterahina manomboka rahampitso 17 febroary hatramin’ny 20 febroary, ny fiofanana “Volley Station Pro”, karakarain’ny federasiona mala­gasin’ny Volley. Eny amin’ny ANS Ampefiloha no hanaovana izany. Natokana ho an’ny mpanazatra, mpilalao ary ny teknisiana.

Voafidy hitsara ny lalao basikety mandritra ny fifanintsanana “Afrobasket 2025” any Tunisie, ny Malagasy mpitsara, i Yann Vezo Davidson. Fifaninanana hatao ny 23 hatramin’ny 25 febroary izao. Vao avy nitsara lalao tany Belgique ihany koa izy ny herinandro teo.

Partager sur: