Teny malagasy: nisy ny atrikasa momba ny feni-panoratana

Tontosa omaly, tao amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny  atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny mala­gasy, nokarakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina, tamin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fampi­roboroboana ny teny malagasy. Ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oni­versiten’Antananarivo, no nitarika ny atrikasa. Tanjon’ny hetsika ny ho fanampiana ny mpisehatra amin’ny fanoratana ny teny malagasy, mba hahazo fahalalana misimisy kokoa amin’ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy, hisorohana ny mety ho fahadisoam-panoratana miseho any anaty boky sy asa soratra samihafa.
Mpikabary, mpanoratra, mpianatra maro samihafa ary mpisehatra maro amin’ny fa­noratana ny teny malagasy no tonga niatrika ny « Atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny malagasy ». Ny fahitana ny zava-misy ankehitriny, in­drin­dra ny tsy fahafehezana ny fa­natontoloana, izay ma­nimba ny tenindreny, no anisan’ny antony nanaovana izao he­tsika izao. An-jatony ny naniry hiatrika azy ity saingy voafetra ny toerana. Hisy, araka izany, ny andiany faharoa amin’ny atrikasa. Eo koa ny hetsika maro samihafa entina manamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin­dreny, ny 21 febroary ho avy izao.

Lin

Partager sur: