Trangana fanolanana : ho fiarovana ny zon’olombelona ny fanitsiana lalàna

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Fitsarana momba ilay lalàna nasiam-panitsiana amin’ny famaizana ny mpanolana. Ho fiarovana ny zon’olombelona izany, araka ny nambarany.

“Tsy maintsy nitondra fanitsiana ny fehezan-dalàna famaizana ny fitondram-panjakana, ka nametraka ny fanaovana fa­mosirana mba ho fiarovana koa ny zon’olombelona sy ny zon’ireo zaza iharan’izany ha­bibiana izany”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, afakomaly, ny amin’ny fanehoan-kevitra mo­mba ny sazy famosirana amin’ ny trangana fanolanana. Raha ny tranga tonga amin’ny fitsarana, feno habibiana ny fanolanana. Anisan’izany, ohatra, izay niseho tany Nosy Be, nitarika ny fahafatesan’ny ni­haram-boina. Toy izany koa ny tany Toamasina. Ny teto Antananarivo, nisy ny fahasimban’ny taovam-pananan’ilay zaza niharam-boina. Nisy ny tranga fanolanana nataon’ny ray niteraka na raikely. Misy tena mbola kely ireo zaza niharam-boina: roa tao­na monja, enin-taona, 11 taona…

Izay no nahatonga ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsa­rana, tsy maintsy nitondra fanitsiana ny fehezan-dalàna famaizana. Raha ny tranga fanolanana, tsy mbola misasaka akory izao ny volana febroary: tafakatra 12 izany, raha eto Antananarivo fotsiny. Tamin’ny volana janoary, 133 izany manerana an’i Madagasikara. Ny fanovana lehibe dia nohamafisina ny fanasaziana momba ny trangana fanolanana, ary nampiana ny hoe famosirana simika na amin’ny alalan’ny fandidiana ka arakaraka ny taonan’ny iharam-boina. Ny sazy dia mila mifandanja amin’ny heloka natao sy ny fahavoazana mihatra amin’ny iharam-boina. Ny sazy koa dia natao mba hahatonga ny olona tsy ho voasarika hanao heloka.

R. Nd.

Partager sur: