Famatsiam-bola sy fampindramam-bola averina tsy misy zana-bola hatrany amin’ny 100 tapitrisa Ar no omen’ny BNI Madagascar ho an’ny mpandraharaha mendrika ny fifaninanana “Trophée du jeune entrepreneur” 2024.
Fampidramam-bola manomboka ny 50 tapitrisa Ar hatramin’ny 100 tapitrisa Ar. Io no tolotra goavana omen’ny BNI Madagascar ho an’ny mpandraharaha voafantina hibata ny anarana “Trophée du jeune entrepreneur” (TJE) 2024. Toy ny fanaony hatramin’ny taona 2003, misokatra ho an’ny tanora mpandraharaha rehetra izay manana tetikasa miavaka sy fanavaozana ho an’ny fiainam-pirenena ny fifaninana. Tanjona ny hampirisihina ny tanora handraharaha sy hitondra ny anjara birikiny ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Antony indrindra mahatonga ny BNI Madagascar mampanao ny fifaninanana. Misokatra ho an’ny tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny niomerika, teknolojia, ny fampiasana ny angovo azo havaozina sy ny maro hafa ny fifaninana. Atao izany hanampiana azy ireo hampiroborobo ny lalam-pihariana ataony sy ho famatsiana ny tetikasany.
Mandraharaha
Mizara sokajy roa ny fifaninana « Trophée du jeune entrepreneur ». Misy ny natao ho an’ireo Startup, ao koa ny natokana ho an’ny TJE croissance +, izay hiantsoana an’ireo mpandraharaha mampiasa vola 60 tapitrisa Ar isan-taona eo anivon’ny orinasany sy manana traikefa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Noho izany, manana hatramin’ny 30 marsa izao ireo maniry handray anjara amin’ny TJE. Aorian’izay, hiditra amin’ny masontsivana hifantenana ireo mendrika hahazo ny loka ireo tomponandraikitra samihafa. Marihina fa azon’ireo mpandraharaha mendrika entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fihariana ny anarana Trophée Startup TJE 2024 sy ny TJE croissance 2024.
Henintsoa Hani