Fanadinana Bakalorea: manomboka ny fisoratana anarana

Afaka efa-bolana ny fanadinana Bakalorea. Efa fotoana hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra izao. Tsy tokony hiandry amin’ny ora farany ny fanaovana izany.

Nanomboka ny 13 febroary teo ary hitohy hatramin’ny 26 avrily ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana Bakalorea. Nampahatsiahy izany ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa mba hanairana sahady ireo maniry hiatrika ny fanadinana. Tsy ekena ny fahataran’ny antontan-taratasim-panadinana mihoatra io fe-potoana io. Manana roa volana mahery, araka izany, ny mpiadina sy ny sekoly hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra.
Anisan’ny taratasy ilaina ny taratasy fanamarinam-pahaterahana miisa 2, atao maimaimpoana, alaina eny amin’ny kaominina, sary tapaka 2, “fiche médicale 1” ary “carte d’identité 1”.
Hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 26 jolay izao ny fanadinana Bakalorea ankapobeny sy ny Bakalorea teknika, teknolojia, andiany voalohany. Ny 29 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra kosa ny andiany faharoa ho an’ny teknika sy teknolojia.
Mamarana ny roa volana fahatelo ny taom-pianarana 2023-2024 amin’ity volana febroary ity. Hiditra amin’ny roa volana fahefatra sahady ny fampianarana ary efa mamaramparana ny famitana ny fandaharam-pianarana ny sekoly ao anatin’ny roa volana manaraka. Hifantohana amin’ny famerenana sy ny fiatrehana ny fanadinana kosa ny roa volana farany.
Ao anatin’ny efa-bolana farany no tena hihazakazahan’ny mpianatra amin’ny fanaovana cours, hanampiana ny fahaizana norantovina tany an-tsekoly. Mila fahaizana mandamina fotoana ny fanatanterahana izany. Dieny izao ihany koa ireo mpianatra hiatrika ny adina ara-panatanjahantena dia efa tokony hanao fanazaran-tena mba hananany vovokaina.

Tatiana A

Partager sur: