Tratra ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivarotra tao Ambolomadinika, Toamasina, ny 14 febroary teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ity jiolahy ity sy ny namany, ny talata teo tamin’ny 9 ora alina. Nitondra antsilava sy fitaovam-piadiana izy ireo. Norobain’izy ireo ny poketra teny amin’ilay ramatoa . Tazan’ny fokonolona anefa ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo. Nifanenjehan’ireo nanatri-maso avy hatrany izy roa lahy. Niantso mpitandro filaminana rahateo ny tompon-tsena. Voasambotra tsy lavitra teo ilay jiolahy iray sy ny antsy teny aminy. Tafaporitsaka ny namany. Lasan’ilay namany nandositra ilay poketra teny amin’ilay mpivarotra.
Tsiferana R.