Fandriana : voasakana ny fivorian’ny fikam­banana mpanao asa sosialy

Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fivoriana nokasain’ny fikambanana maromaro
ao Fandriana, ny 12 febroary teo. Voatery najanona izany noho ny fanakanana nataona palemantera iray.

Nanao fivoriana momba ny asa sosialy efa fa­naony ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny alatsinainy 12 febroary teo. Ahi­tana ny zokiolona, ny fi­kam­banan’ny vehivavy 8 marsa, ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana ary ireo solontenan’ny kristianina avy amin’ny fiangonana katolika iray ao an-toerana. Nahazo fanasana hanatrika io fivoriana io ny filoha mpanorina ny tetikasa iray ao an-toerana. « Tsy misy resaka politika ny nanasanay azy fa amin’ny maha lehibena ONG azy izay nizaranay ny hetahetanay amin’ny hanohanany ny asa sosialy ataonay », hoy ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.
Tsy tanteraka anefa ny fivoriana noho ny fanakanana nataona parlemantera iray, araka ny vaovao azo ihany. « Nisy zandary voalaza fa mpiambina manokana io olom-boatendry io naka ny tomponandraikitra iray ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Mponina ao an-toerana. Nen­tina niditra tao amin’ny fiaran’ilay parlemantera izy ka rehefa tafaverina dia nilaza tamin’ireo solontenam-pikambanana fa tsy main­tsy ajanona ny fivoriana », hoy ny fanazavana avy amin’ireo solontenan’ny fikambanana. Nano­loana izany, nisafidy ny hiala tao anaty fivoriana ilay filohan’ny tetikasa mba tsy ha­nanana olana, araka ny fanazavana ihany.

Randria

Partager sur: