Manatanteraka ny asa sosialy amin’ireo akany sy ivontoerana any amin’ny faritra Diana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity.
Tao amin’ny akany FLM, fitaizana ireo olona marenina, ny tenany nanolotra lamba firakotra sy koveta ary milina fanjairana hahafahan’izy ireo mianatra asa. Miisa 21 ireo ankizy moana sy marenina beazina ao amin’ny Semafa.
Zava-dehibe ny fampandraisana anjara ireo sokajin’olona manana fahasembanana amin’ny sehatry ny fihariana ary tsy tokony ho sakana ny fananany an’io toe-batana io.
Nanotrona ny atrikasa nanombohana ny tetikasa “Resea” ihany koa ny minisitra. 400 ireo vehivavy misitraka ity tetikasa ity ao an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fizakan-tenan’ny vehivavy amin’ny rojom-pihariana misy azy. Eo koa ny fanohanana azy amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ireo vehivavy mpandraharaha any amin’ny faritra Diana ny fitsidihana. Mpanao dite vita amin’ny cola no tena hahafantarana ireto vehivavy mpandraharaha ireto. Nifampidinika tamin’ireo renim-pianakaviana ireo ny minisitra ary nanolotra fitaovana hoentin’izy ireo manatsara ny varotra ataony sy hampiroboroboana izany. Teo koa ny fizarana traikefa mahakasika ny fahaiza-mitantana sy hampahaleotena ara-pivelomana azy ireo.
Tatiana A