Fifandraisana iraisam-pirenena : hanohana an’i Madaga­sikara ny Britanika

Vonona hanohana an’i Madagasikara ny firenena Britanika, amin’ny alalan’ny fandaharanasa ara-barotra “Developping Countries Trading Scheme, (DCTS) » na Rafitra fifanakalozana eo amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Tanjona ny hanohanana ara-toekarena sy hanalefahana ny vidim-piainana aty amin’ireo firenena andalam-pandrosoana. Afaka manondrana entana sy vokatra mankany amin’ny tsena britanika ireo Malagasy mpandraharaha. Tsy ho tataovan-ketra eny amin’ny ladoany ireo vokatra, araka ny fifampifehezana ao anatin’ny fandaharanasa. Hamoraina ihany koa ireo taratasy ilaina amin’ny fanondranana. Nihaona tamin’ny ambasadaoro britanika, David William Ashley, ny minisitra Razafindravahy Edgard ny alakamisy teo, teny Ambohidahy. Zava-dehibe, hoy izy, ny fahazoan’i Madagasikara tombontsoa ara-barotra sy ara-toekarena. Noho ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa ekonomika “APEI”. Notohizany fa saro-pady ny lavanila malagasy izay vokatra miavaka ary fanoitra amin’ireo vokatra fanondrana. «Fanirianay ary tena hahafaly anay raha toa ka tafiditra anaty tsenam-bola any Londres ny lavanila malagasy. Hitazona ny vidiny tsy ho latsa-danja diso tafahoatra izany ary hiaro tanteraka ny tsenan’ny lavanila», hoy hatrany ny fanazavany.

Henintsoa H.

Partager sur: