Nahazo fanasana manokana hanatrika ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimierandoholona avy aty Afrika sy i Amerika Latinina ary ny vondron-tany arabo, izay natao tany Rabat, Maroc, afakomaly ary nifarana omaly, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, nitarika ny delegasiona malagasy nahitana ny kestoran’ny Antenimierandoholona, ny loholona Fernand Eddie Serge. Tanjona ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena avy aty amin’ny ilambolan-tany atsimo. Firenena 40 no nandray anjara tamin’izany. Lohahevitra nifantohana ny fiaraha-miasan’ireo firenena avy aty amin’ny ilambolan-tany atsimo, ny anjara asan’ny parlemanta nasionaly sy rejionaly ary kaontinantaly eto Afrika, ao anatin’ny vondron-tany arabo sy ny any Amerika latinina amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika sy ny fanatrarana ny fampandrosoana iombonana.
Kabarin’ny jeneraly Ravalomanana ny maha zava-dehibe ny fihaonana. Ho fanamafisana ny diplaomasia parlemantera, anisan’ny fanoitra hitadiavana fampandrosoana iombonana. Mba hiakaran’ny harinkarena faoben’ny isam-pirenena sy hampisy filaminana maharitra izany. Eo koa ny fampirisihana ny mpandraharaha ara-toekarena ho tonga hampiasa vola eto Madagasikara. Sehatra maro no azo hiaraha-miasa amin’i Madagasikara, araka ny nambarany. Eo, ohatra, ny fizahantany, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany manaraka lalàna, ny indostria, ny fambolena, ny haitao vaovao… Misokatra amin’ izao tontolo izao i Madagasikara.
R. Nd.