Krizy ara-tsakafo: tafakatra 600 dolara ny vidim-bary iray taonina

Atahorana ny hisian’ny krizy ara-bary aty Afrika. Antony, tafakatra amin’ny vidiny ambony indrindra, 600 dolara (2 700 000 Ar) ny iray taonina (izany hoe 2 700 Ar ny kilao) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ankehitriny.

Nambaran’ny mpahay toekarena sady mpikaroka ao amin’ny Anteni­mi­eran’ny fambolena, Thierry Pouch, tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny France 24, ny janoary 2024 teo, fa 600 dolara ny vidin’ny vary fotsy iray taonina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izay tsy mbola nisy toy izany tato anatin’ny 15 taona farany. Mahatonga izany ny fampiatoan’ny fanjakana indianina ny fanondranana vary fotsy any ivelany, nanomboka ny jolay 2023. Niezaka nandresy lahatra hanafoana io fepetra io ny Tahirimbola iraisam-pirenena, saingy tsy nekeny. Nam­barany koa, fa vao mainka hisy fiantraikany ratsy amin’ny fambolem-bary ny tranga ara-toetr’andro El Nino, hampihena ny voka-bary vokatry ny hafanana tafahoatra any amin’ny tapany Azia Atsimo Atsinana­na.
Mpamokatra vary voalohany maneran-tany i India, miantoka ny 40%. Manaraka azy i Thailandy sy Vietnama ary i Pakistan. Ho an’i Thierry Pouch, ahiny tsy ho ampy ny tahirim-barin’i Vietnama sy Thailandy, ka mety hampihena ny fanondranany any ivelany koa izy ireo, raha toa ka mitohy ny halafosan’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Filana vary fotsy 3,56 tapitrisa t amin’ny 2030

Ho an’i Madagasikara, no­taterin’i Vincent Garruchet, avy ao amin’ny fikambanana France Volontaires, tao amin’ny boky fikarohany nivoaka ny taona 2023, fa mahatratra 4 509 000 t ny vary akotry ilain’ny mponina tamin’ny taona 2018. Niakatra ho 4 918 000 t izany filàna ara-bary akotry izany (2,8 tapitrisa t vary fotsy) ny taona 2021 noho ny fitomboan’ny isan’ny mponina ary vinavinaina ho 6 249 000 t (3,56 tapitrisa t vary fotsy) amin’ny taona 2030. Vahaolana hitan’ny fanjakana malagasy ny hampitomboana ny velarantany hajariana ho azo volena sy ny tahan’ny vokatra.
Manodidina ny 1 500 000 ha ny fitambaran’ny tanimbary voajary eto Madagasikara, ary vinan’ny fanjakana ny hanampiana azy 100 000 ha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: