Mifarana anio, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Festival des Livres Romantiques : L’Amour en mots». Hetsika maro samihafa no hita teny an-toerana nandritra ny fotoana nanatontosana ny hetsika, ary mbola hisy izany amin’ity anio ity. Anisan’ny ho hita ao anio ny seho hatsikana, iarahana amin’ny Rire Délire, sy ny fifaninanana Slam “Slamour”. Tanjon’ny mpikarakara ny hitondra fanabeazana sy fitaizana, indrindra ho an’ny tanora, amin’ny zavatra mahaliana azy ireo.
Nasongadina nandritra ny “Festival des Livres Romantiques: Amour en mots” ny fitiavana. Nandravaka ny AFT Andavamamba nandritra ny hetsika ny fampirantiana, miaraka amin’ny kilalao maro samihafa, ny dihy natao ho an’olon-droa, ny atrikasa «Photo poème», niarahana tamin’i Holy Danielle, Mpanoratra sy mpanao gazety, ary ny valandresaka arahina adihevitra. Hifarana anio amin’ny alalan’ny seho hatsikana sy fifaninanana Slam ny “Festival des Livres Romantiques: Amour en mots”. Natao ho an’ny rehetra, ary maimaimpoana tanteraka .
Lin