Mila fanarenana…

 

Mampitampim-bava sy mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Ny olon-dratsy ve no mihamaro sy mihamatanjaka sa ny fanjakana, amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, ohatra, no tsy maharaka? Na tsy hita loatra ny hoe fanjakana manakaiky vahoaka. Toy izany koa ny hoe mpitandro filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy azo atao safobemantsina? Misy dia misy tokoa ny ezaky ny mpitandro filaminana amin’ny asany, manao ny ainy tsy ho zavatra, tsy miroa fo…
Tsy kely lalana ny ratsy? Efa zary fitadiavan’ny sasany tato ho ato, ohatra, ny fakana an-keriny. Tsy ampoizina? Ny any ambanivohitra no alaim-panahy amin’ny fakana an-keriny. Misy milaza hoe tsy misy intsony ny omby hangalarina dia olona indray no lasibatra. Na izany aza, tsy asan-dahalo mivantana loatra intsony ny fakana an-keriny fa zary fitadiavana na mila ho fomba fiaina: ny fianakaviana akaiky ihany, ohatra, no maka ny ao an-trano an-keriny noho ny fialonana, valifaty, ady lova… Mandra-pahoviana?
Vitan’ny fampandrian-tany ve ny raharaha? Na fitsarana, fanasaziana… Tsy ny fiarahamonina ve no tra-pahavoazana sy fahalovana? Samy maka ho azy, tsy misy fifampitokisana, tsy mijery lavitra… Ny fahamafisana sy ny fahasarotan’ny fiainana no antony? Na fahantrana, tsy fahatahorana na inona na inona… Dia lasa manaotao foana amina raharaha tsy manjary, sahisahy ratsy… Ahoana no hanarenana izany? Na tsy vitan’ny lalàna, fitaovam-piadiana, fitenenana… Ny fiainana sy ny fiarahamonina no mila jerena?
Soa ihany, anisan’ny andrin’ny fampandrosoana amin’izao ny hoe maha olona. Ho hita eo… Izay maha olona izay no tratran’ny fahavaozana sy fahalovana, anisan’ny mahatonga ny tsy fandriampahalemana toy ny fakana an-keriny?

R. Nd.

Partager sur: