Mpihira, mpitendry gitara beso : manohy ny lalana nosoritany i Tasha

“Ho lasa lavitra ity tovovavy ity…” Teny nivoaka tamin’ny vavan’ny mpankafy mozika iray, nijery ny sehon’ny tarika Naday indray andro io. I Tasha Randrianarilalaina ilay tovovavy. Izy no mpitendry gitara beson’ny tarika tamin’izany. Efa nanoritra ny lalany ity mpanakanto ity, taorian’ny fiarahany tamin’ny Vooots Kongregation izay tarihin-dry Rolf sy ny tarika No Mady ary ireo mpanakanto maro hafa.
Taonan’ny fanapahan-kevitra iny 2023 iny ho an’i Tasha, satria nanomboka teo no nananganany ny tarika izay mitondra ny anarany. Manohana sy mifanampy aminy mampandeha ny taritra ireo tanora mpitendry, mitovitovy fironana amin’ny mozika. Niakatra tamina sehatra kelikely izy ireo, mizara sy mampahafantatra ny lokon’ny mozikany. “Mafy aho”, “Ny fireneko”, sns, sanganasan’i Tasha nametrahany ihany koa ny fironany amin’ny mozika. Mifangaroharo ao ny soul, blues, funk, sns. Tsy manadino ny mamerina ireo hira vahiny ankafiziny ka zarainy hatrany rehefa miaka-tsehatra anefa i Tasha. Nandrafitra azy rahateo ireny.
Tsy anatin’ny tontolon’ny fitsapatsapana intsony ity mpanakanto ity. Nisy fototra mafy niaingana, avy tamin’ny tari-dalana nataon-dry Rolf sy ry Jax Ravel. Mampiavaka azy ilay herijikany rehefa tafiditra tsara eny an-tsehatra, mampilalao ny gitara beso arahina feo.
Ho an’izay tsy mbola nahita, na ireo efa mpankafy, hiaka-tsehatra ao amin’ny Garage Rock Café indray i Tasha sy ny tariny, ny alahady 18 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Zo ny Aina

Partager sur: