Namono ny zanak’anabaviny : enina mianaka nidoboka am-ponja

Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, naiditra am-ponja ireo eni-mianaka anaty fianakaviana iray nahavanon-doza.

Vehivavy ny roa tamin’ireo efatra notazonina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fihainoana am-bava an’izy ireo teny anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, tao An­talaha, omaly. “Ady lova no nitarika ny vono olona nataon’ireo olona enina voasambotra ireo”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Sambava. Zanaky ny anabavin’ilay raim-pianakaviana voasambotra ilay maty novonoina, ny volana janoary lasa teo. Tsy nifankahazo ny fianakaviana roa tonta momba io ady lova io. Namolavola teti-dratsy anefa ny anadahin-drenin’ilay lehilahy 30 taona. Novonoin’izy ireo tamin’ny fomba niharo habibiana ary natsipiny tao anaty kirihitra ilay zanak’anabaviny.

Tratra tao Antalaha
Nifampitadivana nanomboka ny 13 janoary, nahitana ny fatin’ilay lehilahy 30 taona io anadahin-dreniny io sy ny mpiray tsikombakomba ami­ny. “Niezaka nanao ny fanangonam-baovao rehetra izahay ka nahitam-bokany izany”, hoy ny fanamafisan’ny kapiteny, kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Sambava. Natao ny vela-pandrika rehetra ka voasambotra tao Antalaha, ny alatsinainy 12 febroary teo, io raim-pianakaviana namono ny zanak’anabaviny io. Olona dimy hafa voasambotra izay niray tsikombakomba nivantana sy ankolaka tamin’ny famonoana. Niakatra fampanoavana ny raharaha, omaly. Notanana am-ponja avokoa ireo enina mianaka voasambotra.

Tsiferana R.

Partager sur: