SOMBIM-BAOVAO

Nodimandry teo amin’ny faha-44 taonany, omaly maraina, ny Sensei Ratafika Lova, CTR (Conseiller téchnique régional), eo anivon’ny ligin’Ana­lamanga, taranja Judo. Nahavita be teo amin’ny tontolon’ny Judo izy ary efa nandrafitra ny ekipa nasionaly.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny”Camp des Jeunes filles U23″, taranja basikety 3×3, tontosaina eny Vontovorona. Efa nigadona eny an-toerana avokoa ireo mpandray anjara avy any amin’ny faritra hiatrika ny”De la rue vers l’or”.

Araka ny fikarohana natao omaly, tsy marina ny vaovao miely ao anaty tambajotran-tserasera mahakasika ny vondrona misy an’i Madagasikara amin’ ny fifanintsanan’ny « Can 2025 ». Tsara marihina fa aorian’ny lalao savaranonando hatao ny volana marsa ho avy izao, vao handeha ny antsapaka mahakasika izany.

Nanambara tamin’ireo tomponandraikitra lehibe ao amin’ny klioba frantsay, Paris Saint Germain, i Kylian Mbappé fa tsy hanohy intsony ny fifanarahana. Marihina fa hifarana ny volana jona izany fifanarahanan’i Mbappé sy ny PSG izany. Araka ny vaovao farany, hifindra ao amin’ny Real Madrid ny tenany.

Partager sur: