Nodimandry i Narcisse Njava. I Monique Njava no nampita ny vaovao omaly, fa nodimandry ny zokin’izy ireo, Narcisse. Tsy tao anatin’ny tarika Njava izy, kanefa kosa anisan’ireo nitari-dalana ireo zandriny teo amin’ny mozika. Anisan’ny hirany malaza ny “Ilay taratasinao”. Manan-talenta sy feo miavaka izy, raha ny filazan’i Mamy Gotso.
“Hihira ny fitia” eny amin’ny Espace Nambinintsoa. Seho faharoa, anatin’ny fetin’ny mpifankatia ihany ny an’i Rija Ramanantoanina, rahampitso alahady manomboka amin’ny 2 ora sy sasany atoandro. Hanampy azy eo amin’ny feo lafika i Njara Olana, izay efa mpampiara-peo amin’i Rija ihany.
Tahaka ny fanao isan-taona, tanterahina eto Antananarivo, ny 5 jolay 2024 hatramin’ny 10 jolay 2024, ny “Madagascourt Film Festival”. Hetsika lehibe ho an’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, indrindra ireo vao misandratra. Miditra amin’ny andiany faha-19 ny hetsika amin’ity taona ity, ary antenaina ny hisian’ny zava-baovao hatrany.
Misy ny fampianarana hosodoko maimaimpoana anio, eny anivon’ny Tranomboky monisipaly, isaky ny boriborintany, eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Fiaraha-miasan’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny Tetikasa “Kanto Manabe” no nahatontosana ny hetsika.