Tetikasa « IRF tanora »: Nahazo fiofanana ny tanora eny ifotony

Tontosa omaly ny fiofanana nataon’ireo tanora mpitarika avy amin’ny fokontany 32, ato anatin’ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Hetsika ao anatin’ny tetikasa “IRF Tanora”, izay vatsian’ny PBF (Peacebuilding Fund) vola. Iarahan’ny vondrona Unicef sy ny PNUD ary ny UNFPA manatanteraka. Misehatra sy miady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina ny tetikasa. Tanjona ny hampandraisan’andraikitra ny tanora eny ifotony, hitondra fiovana eny anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo tsirairay.
Nisy ny fanentananan ireo tanora, izay mahafantatra ny zava-misy eny ifotony. Notsongaina, araka izany, ireo tanora mpitarika telo isaky ny fokontany, hanao ny fiofanana. Toy ny mpanasa lamba, ny mpiloka, ny tanora tsy anasa… Izay niarahan’ny Unicef sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny fanatanterahana io fiofanana io. Ankoatra ny eto amin’ny faritra Analamanga, nisitraka fiofanana ihany koa ny tanora avy any amin’ny faritra Diana sy Atsinanana.
Maharitra roa taona ny tetikasa ary hifarana amin’ny volana novambra. Aorian’ny fiofanana, andrasana, araka izany, ny fandraisan’andraikitra ataon’ireo tanora ireo. Hisy ihany koa ny dinidiniky ny mpiara-belona, horaisin’izy ireo an-tanana.

Mino

Partager sur: