Mitentina 750 000 dolara ny famatsian’ny USAID ny tetikasa “Tsinjo Soa” amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasam-pidiovana miisa 2 100. Haharitra 3 taona ny fanatanterahana izany, iaraha-miasa amin’ny Loowatt Madagascar.
Tanjona ny hisian’ny vahaolana momba ny fidiovana ho an’ireo tokantrano sahirana eto Antananarivo. Maro rahateo ireo ankohonana tsy manana toeram-pidiovana akory noho ny fahateren’ny toerana ka voatery mankeny amin’ireo fotodrafitrasana iombonana.
Tamin’ny alalan’ny fihaonan’ny masoivoho amerikanina tamina raim-pianakaviana tao Ambatomaro, tamin’ity herinandro ity, no niresahana momba ny tetikasa trano fidiovana manara-penitra madio sy mahatanty fiovaovan’ny toetr’andro.
Vahaolana mora vidy satria ankoatra ny fahadiovana entiny dia tombony ho an’ireo mpitantana azy.
Mampilamina ny isan-tokantrano ny fananana toeram-pidiovana mahaleo tena ho an’ny ankohonany, izay afaka hofaina amin’ny vidiny mirary.
Tatiana A