Toamasina : tratra ilay tovolahy nangalatra 42 tapitrisa Ar

Tovolahy 17 taona nangalatra vola, voasambotry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Toamasina, afakomaly. Nalainy antsokosoko ny vola mitentina 42 tapitrisa Ar. Nitsoaka izy nanomboka ny 8 febroary teo ka namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana. Nitady azy avokoa ny manodidina sy ny mpifanerasera taminy. Tsikaritry ny olon-tsotra nirenireny teny amoron-dranomasin’i Toamasina anefa io lehilahy io ny alakamisy teo. Nampandre avy hatrany ny polisy ilay nahita azy. Nigadona teny an-toerana ny polisim-pirenena hisambotra azy. Tsy afa-nandositra intsony io tovolahy io. Nentina natao famotorana izy. Nitoroka ny toerana nasiany ilay vola an-tapitrisany nangalariny. Efa nohaniny ny 2 tapitrisa Ar. Nanaovany fiainana io ampaham-bola nandrimbinany io. Nahatrarana ny sandam-bola 40 tapitrisa Ar teny aminy izay mbola nifatotra tamin’ny fingotra. Atolotra ny fampanoavana io mpangalatra io aorian’ny fanadihadiana lalina ataon’ny PMPM ao Tsaralalàna. Marihina, mirongatra ireo zaza tsy ampy taona naiditra am-ponja noho ny halatra sy ny fanendahana tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: