Manodidina ny 2,7 t isaky ny hekitara ny voka-bary eto amintsika. Ambany izany raha ampitahaina amin’ny salanisa maneran-tany, izay manodidina ny 4,6 t/ha. Ambolena vary ny 55%-n’ny tany voajary eto Madagasikara, manome fitambarany 1,3 tapitrisa ha. Midadasika indrindra ny any Alaotra, manodidina ny 100 000 ha.
Hisitraka « kits solaires » ireo CSB II miisa 453 sy tobim-pahasalamana any ambanivohitra ao anatin’ny 100 andro. Dingana manokana ny hanapariahana sy hametrahana ny angovo madio eny anivon’ny tobim-pahasalamana manaraka ny taona. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasana ny angovo madio ho an’ny rehetra.
Mitentina 550 tapitrisa euros ny famatsiam-bola hanatanterahina ny tetikasa Volobe. Hamatsy ny 25% ny vola ilaina amin’izany ireo mpanatanteraka raha toa ka handrasana avy amin’ireo Bankin’ny fampandrosoana kosa ny 75%, izany hoe, ny 400 tapitrisa euros. Maro ny banky vonona hamatsy vola ny tetikasa Volobe.
Ho tonga any Antsiranana, ny faran’ny herinandro izao, ireo vary milanja 54 taonina avy any amin’ny State Procurement of Madagascar (SPM). Haparitaka eny an-tsena ny alatsinainy izao izany hisorohana ny vanim-potoana maitsoahitra. Hisy ny fidinana eny an-tsena ataon’ny tomponandraikitra hijerena ny fomba hivarotana ny vary.