Vondrona Afrikanina : namonjy ny fivoriambe faha-37 ny filoha Rajoelina

Avy any Dubaï dia nihazo an’i Addis Abeba, Ethiopie indray ny filoha Rajoelina sy ny delegasiona miaraka aminy. Namonjy ny fivoriambe faha-37-ny Vondrona Afrikanina, ny 17 sy 18 febroary izao.

Hanomboka, anio, atsy Addis Abeba, Ethiopie, ny fivorimbe faha-37 ataon’ny Vondrona Afrikanina (UA). Omaly no tonga any an-toerana ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoha Ra­joelina. Maro ny firenena afrikanina mbola miaina ady an-trano, tsy fandriampahalemana, anjakan’ny asa fampihorohoroana. Anisan’ny tanjona amin’izao fivoriambe izao ny fidiran’ny UA an-tsehatra
amin’ny famahana izany olana izany. Valo ireo laharam-pahamehana, hijerena vahaolana manokana amin’izao taona 2024 izao. Anisan’iza­ny, ohatra, ny fifehezana ko­koa ny fihemoran’ny demokrasia, ny firotsahana amin’ny famonjena an’i Soudan, ny fifanampiana hisian’ny fitoniana any Ethopie, fisorohana ny mety ho fifandonana eo amin’ny Repoblika demokratik’i Congo (RDC) sy i Rwanda. Eo koa ny fanomezana aina ny diplaomasia any Sahel afovoany, taorian’ny fametraham-pialan’i Niger sy i Bur­kina Faso ary i Mali tao anatin’ny fifanarahana Sahel, ny fitadiavam-bahaolana amin’ny ady any Cameroun, fanatsarana ny fiaraha-miasan’ny UA any Somalie, fanampiana an’i Soudan Atsimo hisian’ny fitoniana ho amin’ny fanatanterahana fifidianana.
Ny filohan’i Mauritanie, i Mohamed Ould Ghazouani, no mitarika ny UA mandritra ny herintaona, handimby ny filohan’i Kaomoro, i Azali Assoumani. Amin’izao fivoriana izao no hanaovana ny famindram-pitantanana eo amin’izy ireo. Hifarana rahampitso ny fivoriana.
Ankoatra ny fiatrehan’ny filoha malagasy izany, eo koa ny fihaonany amin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony tonga any an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: