Angovo : maro ireo tetikasa atao ao anatin’ny 100 andro

Tetikasa goavana hanavao sy hanatsara ny sehatry ny angovo eto Madagasikara no hotanterahina manerana ny Nosy ao anatin’ny zato andro.

Anisan’ireo andry telo lehibe iankinan’ny Poli­tika ankapoben’ny fanjakana ny sehatry ny angovo. Ankehitriny, tafapetraka avokoa ireo tetikasam-panjakana hanatsarana ny sehatry ny angovo izay hotanterahina eto Madagasikara, mandritra ny 100 andro. Andrasana ny fahatongavan’ny ampahany voalohany amin’ireo fitaovana ho an’ny fampivadiana (hybridation) an’ireo tobin’ny Jirama miisa 47 miparitaka manerana ny Nosy. Fitaovana izay ha­nanganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro izay mitotaly 300 “containers”. Ima­so­ana ny drafitrasa fampiakarana avy any Toamasina ireo milina vaventy hampiodinana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika (centrale thermique) hanana tanjaka 105MW ao Ambohi­ma­nambola.
Ankoatra izay, tanàna 47 any ambanivohitra no hisitraka herinaratra ao anatin’ny 100 andro, amin’ny alalan’ny teknolojia «mini grid solaire» sy «nano réseau so­lair­e» no hamokarana ny an­govo. Hi­asa tsy ho ela ihany koa ny tobim-pamokarana an­govo azo avy amin’ny ma­so­andro 1MW ao Sainte Marie. Hana­raka tsy ho ela kosa ny 1,5MW ao Mana­nara avaratra.

Fampitaovana
CSB 453 sy tobim-pahasalamana any ambanivohitra no hisitraka “kits solaires” hoentina hamatsiana ny herinaratra ao an-toerana. Mbola hitohy ny fametrahana jiro hanazava ny lalana sy ny lalambe miisa 1 500 izay hapetraka manerana ny Nosy. Tokantrano miisa 200 000 koa hisitraka «kits solaires domestiques» ao anatin’ny tetikasa “hazavana ho anao” mandritra ny 100 andro.

Tokantrano 50 000 afaka hisitraka herinaratra amin’ny alalan’ny tetikasa “branchement mora” hanamorana ny fahazoana herinaratra ho an’ireo tokantrano ao anatin’ny 30m miala ny tambajotra mpi­tsinjara herinaratry ny Jirama.

Henintsoa Hani

Partager sur: