Tsy miova ny hevitry ny antoko Freedom amin’ ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fifampiarahaban’ny antoko noho ny taona vaovao teny By-pass, ny faran’ny herinandro teo. Miantso izay ho kandidà manohana ny filoha Rajoelina hisian’ny fiarahana amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly izy.
Nivory ny OMC notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, tany Nosy Be Hell-ville, ny faran’ny herinandro teo. Nandray anjara tamin’izany ny tomponandraikitry ny filaminana, faritra Diana sy Sofia ary Boeny. Anisan’ny nojerena, ohatra, ny olana samihafa amin’ny trangam-piarahamonina any an-toerana mety hanaratsy endrika ny maha toeram-pizahantany an’i Nosy Be. Teo koa ny amin’ny jono tsy manara-dalàna.
Nanamarika ity lanonam-panokafana ity ny famindram-pitantana teo amin’i Azali Assoumani, filohan’i Comores, izay nitantanana ny Vondrona Afrikanina nandritra ny taona 2023, sy i Mohamed Ould Ghazouani, filohan’i Mauritanie, izay mandimby azy mandritra ity taona 2024 ity. Marihina moa fa ifandimbiasana isan-taona ny toerana.
Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina, nisy ihany koa ny fihaonana manokana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy i Pravind Kumar Jugnauth, praiminisitra maorisianina. Ny mahakasika ny sehatra ara-barotra no tena noresahin’ny roa tonta tamin’izany.