Fivoriana an-tampon’ny Unesco: hampidirina anaty rafi-pampianarana ny kolontsaina

Hisy ny sehatra maneran-tany vaovao, hanamafisana ny fanabeazana ara-kolontsaina sy ara-javakanto. Amin’ny alalan’ny fampidirana izany ho ao anatin’io politika sy rafi-pampianarana io. Anisan’ny tapaka nandritra ny fivoriana an-tampon’ny Unesco, mom­ba ny fa­nabeaza­na ara-kolon­tsaina sy ara-javakanto natao tany Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis, ny 14 sy ny 15 febroary teo io. Nisolon­tena an’i Mada­ga­si­kara, nandritra izany, Raza­fiarison Francis, tale jeneralin’ny kolon­tsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina.
Nitatitra ireo asa nataon’ny governementa malagasy sy nandroso ireo tetikasa mbola hirosoana, entina hanomezan-danja ny fanabeazana ara-kolontsaina sy ara-javakanto ny tale jeneralin’ny kolontsaina, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Anisan’ireny ny fananganana ireo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina manerana ireo faritra izay anisan’ny sehatra hitrandrahana ny talentan’ireo tanora any ifotony. Eo ihany koa ny fametrahana ny Akademia nasionalin’ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac ary ny vina fananganana rafitra hisahana ny fampianarana momba ny vakoka.
Ao anatin’ny sehatra maneran-tany ny mahakasika ny fanabeazana ara-kolontsaina nolanian’ireo solontenam-panjakana an’arivony izay nivory tany an-toerana izany. Porofo izany fa tsapan’ny firenen-drehetra ny anjara toerana goavana eo amin’ny fanabeazana ny kolontsaina, ary ny fahasamihafana no tena harena.

Zo ny Aina

Partager sur: