Fivorian’ny Vondrona Afrikanina : nahazo sitraka manokana i Madagasikara

Fotoan-dehibe ho an’ny mpitondra malagasy, ny fivoriambe faha-37 ho an’ny Firenena mikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina. Anisan’ny nahazo sitraka manokana tamin’izany ny fitondram-panjakana malagasy.

Notanterahina tany Addis Abeba, Ethiopie, ny fa­ran’ny herinandro teo, ny fivoriambe faha-37 ho an’ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrika­nina. Filo­ham-panjakana sy filoham-pirenena maro avy eto Afrika no niatrika izany ary anisan’izany Rajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy. Lohahe­vitra anisan’ny nisongadina tamin’ity fivoriambe faha-37 ity ny mom­ba ny fandriampahalemana. “Tsy misy ny fandrosoana raha tsy misy ny fandriampahalemana”, hoy Rafaravavi­ta­fika Rasata, minisitry ny Rahara­ham-bahiny. Ankoatra izay, nahazo fankasitrahana manokana i Ma­dagasikara noho ny fahavitan’ny fifidianana sy ny nahatafapetraka ny filoham-pirenena eo amin’ny toerany tamin’ny fomba demokratika.
Maro ny firenena afrikanina, latsaka anaty krizy politika, taorian’ny fifidianana. Misy ihany koa ireo misedra fanonganam-panjakana na fakana fahefana tsy manaraka ny lalàmpanorenany, anisan’izany i Gabon, Ni­ger, Mali, Gui­née, Soudan, Bur­kina Faso ary i Sénégal. Ma­­­noloana izany indrindra, anisan’ny firenena fitaratra i Mada­gasikara amin’ny fanajana ny fenitra demokratika aty Afrika. Nam­bara tamin’ny fomba ofisialy ny fiarahabana izany sitraka ho an’i Madagasikara izany sy ny fiarahabana ny filoha Rajoelina Andry noho izy lany hitondra an’i Madagasikara indray mandritra ny 5 taona, nandritra ny fivoriana mahakasika ny vaomiera “Paix et sécurité”.

Fanohanana ara-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena
Ankoatra ny fandraisan’anjara tamin’ny fivoriambe faha-37, nisy koa ny fihaonana manokana teo amin-dRajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy, sy i Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banque Mondiale pour l’Afrique de l’Est et Australe. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Porofon’izany ny nanomezan’ny Banky iraisam-pirenena vola 100 tapitrisa dolara an’i Madagasikara, ny taona 2023. Tafiditra anatin’ny “Opé­ration à l’appui des politiques de développement” (DPO), ireo fanohanana ara-bola 100 tapitrisa dolara ireo. Mizara telo izy io. Ny voalohany efa nankatoavina ny 9 jona 2023. Ny faharoa ho avy amin’ity taona 2024 ity, ary mbola misy ny ampahany fahatelo farany izay mirotsaka ao amin’ny kitapombolam-panjakana avy hatrany.

Lin

Partager sur: