INDRAY MIJERY

Anisan’ireo voafantina tamin’ny tetikasa «Open Data Madagascar» na Fahazoana antontan-kevitra misokatra ny fikambanan’ny olona varira eto Madagasikara. Manana tanjona hanorina vovonana manokana ahafahana maka sy mampiasa ireo antontan-kevitra ny tetikasa ka hizara izany maimaimpoana.
Nampiseho ohatra tsara ny fianakaviamben’ny mpiasa ao amin’ny CHUJRA, ny faran’ny herinandro teo, ka nanatanteraka fanadiovana faobe manodidina ny hopitaly. Nanentana ireo mpisitraka ny tolotra eny an­ivon’ny hopitaly ihany koa izy ireo mba hanaja ny fahadiovana sy ny fandaminana satria fotodrafitrasa iombonana izy ireny.
Hotanterahina any Antsiranana, ny 23 ka hatramin’ny 25 aogositra izao, ny kongresy eokaristika nasionaly (Ken) amin’ity taona ity. “Ny fihavanana no manasitrana an’izao tontolo izao” no lohahevitra entina amin’izany. Hentitra ny mpandrindra ny hetsika nilaza fa ampiasaina amin’ny fanentanana Ken irery ihany ny mari-pamantarana.
Notanterahina ny herinandro teo ny fikaonandohan’ireo filohan’ny oniversite. Ankoatra ireo filohan’ny oniversite 6 manerana ny Nosy dia teo ireo tale
jeneralin’ny IST sy ny talen’ny sekoly doctorale ary ny sojabe. Nodinihina ny mahakasika ny fitantanana, ny vatsim-pianarana ary ny fandrindrana ny fanadinana Bakalorea 2024.

Partager sur: