Matin’ny herinaratra ny lehilahy iray nikasa hangalatra tao amin’ny tanànan’i Amboanara, Nosy Be Hell Ville, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 febroary teo. Niditra antsokosoko ka nikasa hanokatra ny toerana misy ny akoho an’ny tompon-trano ity farany. Tsy fantatr’io mpangalatra io fa misy herinaratra ilay tranon’akoho, kanjo natsipin’ny tanjaky ny herinaratra izy. Nanampy ny fahavoazany ny tsy fahitan’ny olona azy noho ny andro mbola anaty haizina. Nony maraina, hitan’ny fokonolona efa tsy nisy aina intsony io lehilahy io. Niantso ny tomponandraikitra ny fokontany sy ny mpitsabo nitily io mpangalatra io. Voamarin’ny mpitsabo fa matin’ny herinaratra tokoa izy. Naterina ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Nosy Be ny vatana mangatsiakan’io mpangalatra io.
Tsiferana