Fikambanana niorina tamin’ny taona 2022 ny Association nos enfants extraordinaires eny Ambodifasika Itaosy. Misahana ny fanabeazana sy fikolokoloana ny zaza tsy tena tomombana ara-tsaina (autiste) izy ireo. Nahatsiaro ho manana adidy amin’izany ny fikambanana Rotary club Analamanga (RCA) Vovonana ka nitondra fanampiana, ny sabotsy 17 febroary teo, teny an-toerana. Nilaza ny filohany, Randrianarisoa Malalatiana, fa zava-dehibe ho an’ny RCA Vovonana ny fanabeazana, nahatonga azy ireo nanao izao tolo-tanana izao. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy teo ny mpiara-miombon’antoka, ny vondrona orinasa Makiplast. Karazana filalaovana vita amin’ny plastika (toboggan, balançoire,….) ho an’ny ankizy sy bozaka entina hanamaitsoana ny tokontany no natolotra, izay vokarin’ny Makiplast avokoa. Nambaran’ny talen’ny fampandehanana ny asa, Firose Rasay, fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandraisana andraikitry ny orinasa amin’ny lafiny sosialy (RSE), izao hetsika izao. Zava-dehibe ho an’ny Association nos enfants extraordinaires ity tolo-tanana ity. Miisa 12 ny ankizy beazina ao, 4 hatramin’ny 18 taona. Nilaza ny mpanorina ny fikambanana, Rakotoarivony Tsiry, fa natsangan’izy mivady ity foibe ity satria anisan’ireo zaza «autiste» koa ny zanany roa vavy.
Njaka A.