Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika famaranana « Festival des Livres Romantiques ». Namaranana izany ny seho hatsikana niarahana tamin’ny Rire délire sy ny fifaninanana Slamour 2024. Nandrombaka ny fifaninanana i Mitsinjo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ezahina hatrany ny hanamaro ny hetsika sahala amin’izao ho fanabeazana sy fitaizana ny tanora ary ho fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina.
Ambohipihaonan’ny mpankafy hatsikana sy Slam ny teny amin’ny Aft Andavamamba, ny sabotsy teo. Niaraka nihanoka sy nankafy ary nanohana ireo mpifaninana ny mpijery marobe, nandritra ny fifaninanana “Slamour 2024”. Ny Madagaslam section Tanà (MST) no nikarakara azy ity. Ny fitiavana no tena nasongadina nandritra ny fifaninanana, anisan’ny sivana nifaninanana sy nitsarana ny lahatsoratry ny mpifaninana ny resaka fitiavana.
Lin