Sombim-baovao

Notontosaina ny 17 febroary lasa teo, tany Soavina, ny lanonana “Gala des Champions”, taranja Motocross. Marihina fa nataon’ny federasiona malagasin’ny Moto (FMaM) ho fankasitrahana ireo mpilalao nahazo amboara tamin’ny taona 2023 lasa teo izy ity. Anisan’ireo nandrombaka izany i Mathias Plantive, tompondaka Motocross 2023.
Hotanterahina rahampitso ny ampahavalon-dalan’ny “Ligue des Champions 2024 », ho an’ireo klioba izay tsy mbola niatrika izany. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Inter Milan, Italie sy ny Athletico Madrid, Espagne. Tsiahivina fa ny Inter Milan, tompondaka lefitra tamin’ny taona lasa teo.
Anisan’ireo Malagasy atleta ho any Ghana, hiatrika ny lalao afrikanina hatao ny volana marsa ho avy izao i Sidonie Fiadanantsoa, i Nomenjanahary Claudine, i Cynthia Félicité Namahako. Tsara ny mampahafantatra fa miisa valo ireo Malagasy mpilalao hamonjy io fifanintsanana io, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny Atletisma.

Partager sur: