Toamasina : mivonona handray ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy

18 andro mialohan’ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy isika izao. Efa somebiseby ny any Toamasina handray amin’ny fomba makotroka ny lanonam-pankalazana izay tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Mialy.
Nidina mivantana tany an-toerana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, ny faran’ny herinandro teo, nanao ny fandaminana niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra sy ireo tomponandraikitra eny ifotony.
Nisy ny fivoriambe voalohany ho fanomanana ny hetsika rehetra mandritra ny fankalazana izay handraisan’ny fikambanam-behivavy maro anjara.
Nijery ireo toerana hanaovana ny hetsika ny delegasiona hahalavorary ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy.
Mitarika ny fikarakarana rehetra ao an-toerana ny governoran’ny faritra Atsina­na­na, Rafidison Richard, izay nandray sy na­no­me ny toromarika rehetra avy amin’ny minisitry ny Mponina.
Tetsy andaniny, nanararaotra ny dia natao tany an-toerana ny minisitra ary namita ny iraka nampanaovin’ny Filoham-pirenena, namangy sy nampahery ireo traboina vokatry ny ora-nikija efa naharitra ho 2 herinandro izay. Niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy sy ny tale jeneralin’ny BNGRC izy tamin’izany.
Nizara sakafo toy ny vary, menaka ary voamaina ireo traboina izay niantrano ao amin’ ny EPP Ambodisaina ihany koa ny iraky ny fanjakana. Hisy ny asa sandaina sakafo hanampiana azy ireo.

Tatiana A

Partager sur: