Toetr’andro: andro ratsy 2 ao amin’ny ranomasimbe Indianina

Nahafeno fepetra ka nomena anarana Djoungou ilay rivodoza any amin’ny ranomasimbe Indianina. Mikisaka miatsinanana ary vinavinaina hitombo hery hatrany saingy tsy hahakasika an’i Madagasikara.
Heverina hisy fiforonana rivodoza hafa ihany koa any amin’ ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy amin’ny fisasahan’ny herinandro. Nahitana fidinana misongadina ny tsindrin’ny habaka amin’ny faritra maro amin’ny ilany andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Eo koa ny hafanan’ny ranomasina, ny hamandoan’ny habaka ary ny hamafin’ny rivotra any ambony tsy taka-maso. Ambony, araka izany, ny herijika hisian’ny rivodoza. Arahi-maso akaiky ny fivoarany.
Manodidina ny 45km isan’ora ny rivotra miaraka amin’ilay tangoron-drahona hivadika ho rivodoza io. Mbola mitoetra indrindra koa ny oram-baratra ho an’ny afovoantany, ankoatra ny any andrefana sy atsimo andrefana. Hitohy ny rotsakorana amin’ny ankapobeny, indrindra ho an’ny afovoantany hatra­min’ny rahampitso.

Tatiana A

Partager sur: