Mivoatra isan’andro ny tatitra momba ny voka-dratsin’ny rotsakorana miseho eto amin’ny Nosy nanomboka ny 6 febroary lasa teo. Mitombo koa ny traboina.
Niakatra ho 11 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana niseho nanomboka ny 6 febroary teo ary mbola mitohy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ankehitriny, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly maraina. Roa eto Antananarivo, amin’ny boriborintany I, roa any Mandoto, roa any Benenitra, iray ao Tsaratanàna, telo any Fenoarivo Atsinanana ary iray any Maroantsetra. Valo kosa ireo tsy mbola hita hatramin’ny omaly, iray any Mahajanga II, roa any Fenoarivo Atsinanana, iray any Vavatenina ary efatra any Benenitra. Nitombo koa ny isan’ny traboina, 6 397 amin’ny tokantrano 2 368. Olona 1 935 avy amin’ny tokantrano 663 amin’izao fotoana izao nafindra toerana eny anivon’ny toeram-pandraisana sivy. 17 eny Ivato-Ambohidratrimo, efatra ao amin’ny biraom-pokontany Betongolo – boriboritany V, 471 eny amin’ny EPP Ampefiloha Ambodirano, 562 eny amin’ny EPP Ambohijafy, 416 ao amin’ny EPP Analamboanio, 210 nifindra ao amin’ny College Saint Gabriel, 137 ao amin’ny EPP Esperance, 31 eo amin’ny EPP Zoto ary 12 ao amin’ny CJST- Toamasina I. Ho an’ny fotodrafitrasa, 2 205 ny trano dibo-drano, 13 rava ary 15 hafa potika tanteraka. Ho an’ny fanabeazana, faritra fito no tena nahitana fahavoazana amin’ny fotodrafitrasa fampianarana. Enina ny faritra voakasiky ny rotsakorana betsaka: Analamanga, Analanjirofo, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana ary Vakinankaratra.
Vonjy