Antony maro no mety mahatonga ny androbe. Aretina tsy mifindra izy ireny ary mila tohana ny marary mandritra ny krizy tsy hahatsiarovany tena.
Mandritra ny herinandro ny fanentanana momba ny aretina androbe, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mitondra fanazavana mahakasika ny aretina ny minisitera ary milaza fa tsy areti-mifindra ny androbe ary azo tsaboina. “Ndao resahana ny androbe”, io ny lohahevitra amin’ity taona ity, nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena.
Maro ny antony mahatonga ny aretina. Anisan’izany ny tarazo avy amin’ireo ray aman-dreny tany aloha, ny dona mafy nihatra tamin’ny atidoha, fivontosana ao amin’ny atidoha. Ankoatra ireo ny otrikaretina any amin’ny atidoha (cysticercose) sy ny fahasarotana eo am-piterahana ka mitarika amin’ny tsy fahampiana oxygène amin’ny atidoha.
Azo tsaboina tsara eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra ny aretina androbe ary afaka miaina toy ny olona rehetra ny marary aorian’ny fandraisana an-tanana.
Mila ny fanampian’ny manodidina ireo marary rehefa mihetsika krizy na mifanintona fa tsy tokony hatahotra na hitsoaka. Tsy mikoropaka fa mitony tsara manampy ny marary. Ahorirana haingana ny marary rehefa mifanintona mba tsy ho sondrovaka sady hanampy azy hiaina tsara. Tsy misy antony tokony hanipazana ravi-maitso ny marary fa mijanona eo akaikiny mandra-pahatsiarovany tena. Tsy afindra toerana izy ary alavirina azy ny zavatra mety hampidi-doza eo akaiky eo.
Mihinam-panafody isan’andro
Ho an’ny marary, mila hanina isan’andro tsy tapaka ny fanafody ary anatin’ny fotoana maharitra mba hampahomby ny fitsaboana.
Matetika mampatahotra ny hafa ireo mararin’ny androbe rehefa mifanintona kanefa mila arovana haingana izy ireny mandritra ny tsy fahatsiarovany tena tampoka sao mianjera anaty afo na anaty rano ka hitarika amin’ny fahafatesany.
Tatiana A