Banky iraisam-pirenena: hamatsy vola 4 miliara dolara mahery an’i Madagasikara

Hanome famatsiam-bola mitentina 4 130 000 000 dolara an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasa goavana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana.

Manokana teti-bola mi­tentina 4 130 000 000 dolara ny Banky iraisam-pirenena hamatsiana ireo tetikasa lehibe 26 ao anatin’ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampiasam-bola ho an’i Madagasikara (Programme d’investissement de la Banque mondiale à Ma­da­gascar). Io ny vokatry ny fihaon’ ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ny filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena misahana an’i Afrika atsinanana sy atsimo, i Victoria Kwakwa, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-37-n’ny Vondrona Afrika­nina, tao Addis Abeba Éthiopie. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny dingana fanoha­nana ara-bola 100 tapitrisa dolara hafa ho an’ny taona 2024. Famatsiam-bola izay tafiditra anatin’ny “Opération à l’appui des politiques de développement” (DPO) rehefa niato ny 8 aogositra 2008. Hifantoka betsaka amin’ireo tetikasa fampi­voarana ny maha olona, ny fambolena, ny fampianarana, ny famokarana angovo ny famatsiam-bola. Ao ihany koa ny ny fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra ao anatin’ny firaisan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Fram). Tafiditra ao anatin’izany ny fanovana goavana eo amin’ny fifandraisan-davitra.

Fanarenana

Hatsaraina ny fitantana eo anivon’ny orinasa Jirama sy ny famokarana angovo. Hatsangana ny “Comité de gouvernance” hisahana ny fitantanana ny orinasa. Ho fantatra, afaka andro vitsy, ihany koa ny mpandrindra ity komity ity. Voaresaka nan­dritra ny fihaon’ny roa tonta ny fanamafisana ny interconnexion na ny tambajotra iraisana amin’ny fitaterana ana habakabaka, ny fanatsarana ny zotra anatiny sy any amin’ireo nosy manodi­dina. Ankoatra izay, mandeha avokoa ireo tetikasa 26 hovatsina vola, anisan’izany ny fampivoarana ny maha olona, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fampanjarian-tsakafo, ny fiahiana ara-tsosialy, ny fotodrafitrasan’ny angovo, ny lalana, ny haitao ara-kajy mirindra.

Henintsoa Hani

Partager sur: