Fiofanana: miara-miasa ny OJM sy ny Instat

Anisan’ny zava-dehibe ny fikirakirana ny fampiasana ny antontanisa. Ilaina amin’ny fanatsarana ny fandraisana fanapahan-kevitra izany. Eo koa ny mety hahafahana mandresy lahatra amin’ny karazana hetsika na fanaovana fangatahana fanampiana. Manampy izany, afaka hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy hamantarana ny vokatra hoentina miasa. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Instat, Ndremi­tsara Tarzan: “mila fehezina ny fikirakirana antontanisa mba hamoahana antontanisa tsara kalitao. Zava-dehibe ny fandikana izany sy ny manamora ny fampiasana azy. Izany no anton’ny fanofanana ny mpanao gazety tany Antsirabe, nandritra ny herinandro. Mpanao gazety 20 mianadahy avy eto Analamanga no niatrika izany”. Aorian’ny fiofanana, afaka mikirakira ny antontanisa avoakan’ny Instat rehetra ireo mpanao gazety. Misy fiantraikany eo amin’ny firenena ny fahaizana izany. Novatsian’ny Bbanky iraisam-pirenena ny tetikasa STATCUP II, izay nanomboka tamin’ny 2023 hatramin’ny 2028 ary anisan’ny asa atao amin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Toy ny famenoana ireo antontanisa tsy vita sy manampy antontanisa vaovao.

Fanou

Partager sur: