GEFP: haloan’ny fanjakana ny TVA 57 miliara Ar

Hiroso amin’ny fandoavana ny tataon-ketra (TVA) mitentina 57 miliara Ar ny fanjakana taorian’ny dinika nifanaovan’ ny Groupement des entreprises franches et partenaire (GEFP) sy ny fanjakana malagasy, ny herinandro teo. Tompon’andraikitra voakasika voalohany sady solontenan’ny sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nojerena, nandritra ny fivoriana, ireo antony tsy nahafahana nanefa ny TVA teo aloha sy ny mety ho fototry ny olana ary ny vahaolana ho
raisina. Nivoitra, taorian’izany, ny fifanarahana hirosoana amin’ny fandoavan’ny fanjakana ny tataon-ketran’ny GEFP rehefa tsy nahitam-bahaolana hatramin’ny taona 2019. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fihodinan’ny orinasa afaka haba mivondrona ao anatin’ny GEFP ny fandoavana ny vola tsy voarain’izy ireo nandrita ny taona maro. Vola izay mampihodina ny ampahan’ny orinasa. Mampiasa olona maro eto Madagasikara ny orinasa afaka haba. Noho izany, entina hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny fanefana ity tataon-ketra ity
Tafiditra ao anatin’ny politika fampandrosoana ny fire­nena sy fanatsarana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara izany. Azo antoka fa tamana ham­piasa ny volana eto Madagasikara ireo mpamatsy vola, afaka hampitombo izany ka hiteraka asa ho an’ireo tanora. Eo koa ny fahafahana misintona ireo mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara.

Henintsoa H.

Partager sur: