Herisetra ara-nofo : telo lahy mpanolan-jaza voasambotra

Telo lahy naiditra am-ponja vokatry ny herisetra ara-nofo nataon’izy ireo tao anatin’ny herinandro monja. Zaza tsy ampy taona mbola mianatra avokoa ireo lasibatra.

Mirongatra izay tsy izy ny trangana fanolanana tato ho ato. Lehilahy miisa telo saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny toerana samihafa tao anatin’ny herinandro monja. Nosamborin’ny polisy ny lehilahy iray 48 taona nanolan-jaza tao Manjakan­driana ka notanana vonji­maika any am-ponja, ny 15 febroary teo. Nitontongana ny naotin’ilay zaza lasibatra tao an-dakilasy. Naneho fihetsika hafahafa rahateo koa izy nandritra ny fanentanan’ny tomponandraikitra momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta. Nanapa-kevitra hitily ny fahasalamany ny mpitsabo. Vo­kany, voamarina fa niharan’ny fanararaotana ara-nofo io zaza tsy ampy taona io. Mpitsabo nentim-paharazana ao an-toerana ihany no voatonona ho nahavanon-doza. Nosambo­rina ny 12 febroary teo ity farany ka naiditra am-ponja.

Nikasa hanolan-jaza telo…
Lehilahy iray hafa nikasa hanolan-jaza voasambotry ny polisy tao amin’ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano, ny sabotsy 17 febroary teo. Nitondra antsy io lehilahy io ary nampihorohorony nokasainy hanaovana ny filan-dratsiny ny zazavavy miisa telo izay vao 13 taona. Tsikaritry ny fokonolona ny fihetsik’io tsy valahara io ka tsy afa-nanohy ny teti-dratsiny izy. Niharan’ny herisetra na­taon’ity lehilahy ity koa ny vehivavy iray ao an-toerana, araka ny fanamafisan’ny polisy ao amin’ny kaomisaria Main­tirano. Notanana am-ponja vonjimaika izy taorian’ny fanadihadiana azy. Ankoatra ireo, lehilahy iray hafa nanolana ankizy 13 taona tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanambaobe, kaominina Mananara Avaratra, ny 16 febroary teo. Nirava avy nia­natra ilay ankizivavy ny 14 febroary teo no noteren’io lehilahy io nanaovana ny filan-dratsiny.

Tsiferana R.

Partager sur: