INDRAY MIJERY

171 ny ankizy manana olana amin’ny fiarahamonina raisina an-tanana eny amin’ny akany Avoko. 29 amin’ireo napetraky ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona eny an-toerana, taorian’ny fanolanana nahazo azy ireo. 25 ankizivavy ary efatra ankizilahy. Matetika ny olom-pady sy ny fianakaviana ihany no mahavanon-doza manolana azy ireo.

Manao antso tolo-tanana amin’ny fanjakana ny mpiandraikitra ny akany Avoko, amin’ny fikarakarana ireo ankizy beazina ao. Ilaina ny fisian’ny “psychologue” hisahana ny tohana ara-tsaina nefa lafo ny karaman’izy ireo ka tsy zakan’ny mpitantana.

Sefo fokontany 24 sy ny ekipany no nomena fiofanana mahakasika ny fiatrehana ny loza voajanahary amin’izao fahavaratra izao. Niarahana tamin’ny BNGRC sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fiofanana. Nampahafantarina azy ireo ny fandraisana andraikitra avy hatrany raha misy loza miseho eny ifotony.

Misy ny vatsim-pianarana ICCR ho an’ny mpianatra ambaratonga ambony eto Madagasikara sy Comores avy amin’ny masoivohon’i Inde. Manomboka anio hatramin’ny 30 avrily ny fisoratana anarana. Ireo tanora 18 ka hatramin’ny 40 taona no hisitraka izany ho an’ny taona voalohany, raha hatramin’ny 50 taona kosa ho an’ireo manomana doctorat.

Partager sur: