Kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny jono. Midadasika rahateo ny farin-dranomasina ka azo trandrahina tsara ny harena an-dranomasina. Nampahafantatra ny dingadingana na zanga (Concombre de mer) ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, teny Ampandrianomby.
Tafiditra ao anatin’izany ny fiompiana ity karazana hazandrano ity izay mbola malalaka sy azo ivelomana tsara. Mampirisika ny mpanjona na ny mponina hisehatra amin’ny fiompiana dingadingana na zanga ireo tomponandraikitra samihafa tonga teny an-toerana. Notsindrian’izy ireo kosa ny tokony hanajan’ny tsirairay ny lalàna sy hanovana toe-tsaina mba hialana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Nampahafantatra momba ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN) sy ny sazy mifandraika amin’izay ny minisitra. Notsindriany manokana ny momba ireo Malagasy miisa 164 tratra nanjono tsy ara-dalàna dingadingana na zanga tao amin’ny “Ile Providence”, Seychelles, ao anatin’ny “Zone marine protégée” izay efa nitondrana fanazavana teto ihany ny faha-11 febroary teo. Tsiahivana fa fanintelony amin’izao no nisy Malagasy tratra nanjono tao Seychelles.
Henintsoa H.