Nanao hetsika ho fampahafantarana ny fanolanana amin’ny ankapobeny sy ataon’ny olom-pady, teny Anosy, ny fikambanana Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny mpitantana ny akany Avoko eny Ambohidratrimo sy Bevalala. Tanjona ny hiresahana ireo ampahibemaso ho an’ny daholobe satria zava-misy eny amin’ny fiarahamonina. Fotoana nanangonana tohana vola avy amin’ny rehetra ho an’ny akany Avoko ihany koa ny hetsika, ho fanampiana azy ireo amin’ny fikarakarana ireo ankizy manana olana eny anivon’ny fiarahamonina ka anisany ireo niharan’ny fanolanana. “Tsy ampy ny famoahana ny lalàna hamaizana ny mpanolana fa mila jerena akaiky koa ny momba ireo niharan’ny fanolanana”, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny fikambanana Nifin’Akanga, Raveloarimisa Mbolatiana. Tsy tafiditra ao ny fandraisana an-tanana samihafa, ny fepetra raha toa ka mbola ankizy tsy afaka hitaiza ilay voaolana nefa mitondra vohoka… Ilaina ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fanolanana hitondrana vahaolana feno, indrindra ho an’ilay niharany. Namolavola tolo-dalàna ny fikambanana Nifin’Akanga tao anatin’ny roa taona ho famenoana ny banga ary manaitra ny tomponandraikitra fa mbola misy dinika tsy vita momba ny tena fototry ny olana izay tsy lafiny lalàna fotsiny fa mifototra amin’ny fiarahamonina.
Vonjy A.