Namolavola tetikasa ny fikambanana ONG Indri tamin’ny novambra 2023 teo, hamoronana ala any amin’ny faritra Bongolava. Tafiditra ao anatin’ny boky torolalana, ahitana paikady miisa 10 hampahomby ny famerenana ny ala eto Madagasikara ity tetikasa ity. Hanentanana ny mponina sy ny besinimaro hampihatra ny fomba tsara sady hitondra voka-tsoa amin’ny fambolen-kazo izany boky torolalana izany.
Manodidina ny 15 ha ny velaran’ilay ala hoforonina any Bongolava. Efa hita ny toerana hanaovana azy, izay ao anaty faritra arovana, izay efa simba sy tsy mamokatra voahodidina renirano. Tanjon’ny ONG Indri ny hamboly karazan-kazo sy zavamaniry maniry any an-toerana ary hamerina indray ireo biby fahita any amin’iny faritra iny.
Heverina hitovy amin’ny ala voajanahary fahita ny endrik’ity tontolo vaovao hoforonina ity rehefa tena maniry tsara sy matoy ireo hazo sy ireo zavamaniry hambolena, izay karazana tsy fahita raha tsy any an-toerana. Tontolo voajanahary mampiavaka ny eto Madagasikara ny toe-tany sy ny toetr’andro, ka ho afaka mampivelatra ny tontolo mananaina toy ny bibikely, ny vorona tsy fahita raha tsy eto amintsika, izay afaka mivelona sy mitombo amin’ny zavamaniry eo aminy.
Njaka A.