Rotary Vovonana Analamanga: nahazo jiro ny fokontany 11 any Manalalondo

Natolotry ny fikambanana Rotary Club Analamanga (RCA) Vovonana ny fikambanana Vonona avy any Mana­lalondo ny jiro manazava arabe miisa 33, ny sabotsy 17 febroary teo. Nanatante­raka izany ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, sy ireo mpiray fikambanana aminy. Hotsin­jaraina any amin’ny fokontany miisa 11, ao anatin’ny kaominina Malalalondo, distrika Arivonimamo, ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo. Nambarany fa tolo-tanana fanindroany ho an’ny fikambanana Vonona ity natao ity, satria efa nanolotra jiro toy izao ihany koa ny Rotary RCA Vovonana ho an’ny toeram-pitsaboana CSB II Manala­londo, ny aogositra 2023.
Nankasitraka ny fanam­piana ny fikambanana Vonona, nilazan’ny filohany, Rakotoa­risoa Njaka, fa tena mifanandrify amin’ny laharam-pahamehan’izy ireo izao fanomezana jiro izao. Tena manjaka ny tsy fandriampahalemana any an-toerana satria maizina ny tanàna. Fangatahana avy amin’ny fokonolona ny hanazavana ny tanàna.
Ankoatra izany, anisan’ny olana tena ianjadian’ny mponina ny haratsian’ny lalana. Hatao ao anatin’ny adiny 9 ny lalana 39 km, eo amin’ny sampanana Arivonimamo RN1, hatrany Manalalondo.

Njaka A.

Partager sur: